Top Search

LyricsCopy.com

Tiako ianao

by Ambondrona

lyricscopy.com
Marary ny aina tsy eo ianao
Nihafy aho niharitra hatrany
Nafeniko ao antiko ao mba ho ahy irery ihany
Tsy tanty ´lay oe tsisy anao
Na hiambo ary tsy haneo ny tomany
Tsy eken´ny saiko anefa ny aina tsy hilazan´ izany

Te hiantso ny anaranao
Antenaiko fa mbola hiaino ahy ianao

Androany aho mba hamela ity foko hanambara
Tsy aritro intsony, tsy andriko ny hahita anao
Nanahy aho ka aleko hijery ny any afara
Tiako ianao, tsy hiova, tsy hanary anao

Ekeko fa varina ianao
Indraindray toa tsy heno hatrany
Iriko mba ho tsapanao fa mandalo ihany izany
Inoko nefa indray andro any
Ny hahita azy tsy anaty tomany
Ho fihiniko ary anao zay mety aho
Ho azy irery ihany

Te hiantso ny anaranao
Ary antenaiko fa mbola hiandry ahy ianao

Androany aho mba hamela ity foko hanambara
Tsy aritro intsony, tsy andriko ny hahita anao
Nanahy aho ka aleko hijery ny any afara
Tiako ianao tsy hiova, tsy hanary anao


Androany aho mba hamela ity foko hanambara
Tsy aritro intsony, tsy andriko ny hahita anao
Nanahy aho ka aleko hijery ny any afara
Tiako ianao tsy hiova, tsy hanary anao

Browse Artists :

# A B C D E F G H I J K L M N O P Q R S T U V W X Y Z

Karaoke : Backing tracks & videos - Karaoké files

Karaoke Fun !