Top Search

LyricsCopy.com

18 ans

by Jeneraly

lyricscopy.com
18 ans - Jeneraly

Niova ny andro iainana
mbola hafa nyankehitriny
mbola hafa ny omaly
ireo kilalao fahiny

Taloha ny ankizy milalao
madio ny tao an-tsainy
ankehitriny é tsapanao
fa be ny ratsy fanao

ref : 18 taona ny ankizy vavy
taloha toa maontina avokoa
18 taona ny ankizy vavy
ankehitriny...1 no virijiny
mahavariana sy mampahonena
fa izy reo indray re no toa mivaro-tena
tafahoatra ny fitiavam-bola
ka manararaotra r´Ingahibesola
te hanakan-rena @ endrika sy bika
ka manao fiainan´alika
té hanan-karena @ endrika sy bika
ka manao fiainan´alika

Fangalam-piery fahiny
kiafinafina @ saina madio
niova izany ankehitriny o!
nanjary teti-dratsy izy io

Taloha tanora raha misangy
misangisangy tsy misy ahiahy
ankehitriny é langilangy o!
io no mba sangin-dry zalahy

ref......

Taloha tanora lahy sy vavy
rehefa mifankatia
dia miseho @ mpianakavy o!
izay vao miaradia

Ankehitriny kosa hafa kely
ataony aloha izay azony atao
ka rehefa bikina i madémozely o!
izay vao manao ny fanao
Browse Artists :

# A B C D E F G H I J K L M N O P Q R S T U V W X Y Z

Karaoke : Backing tracks & videos - Karaoké files

Karaoke Fun !