Top Search

LyricsCopy.com

Dadabe

by Jeneraly

lyricscopy.com
Dada be - Jeneraly
Tantara iray ndray alina izay
Teny amin´ny toeram-pilalaovana anankiray
No nahatazanako tsy nahy
An´i dadabeanay
Vehivavy iray mihanahana
Efa godraky ny hadalana
No misakambina azy
Tena nigagana
Fahotany ve izany sa tsia?
Raha toa miverina indray i dada mba hanao fitia
Nenibe any an-tanana tsy mahalala izany hadalana
Mihevitra fa eny amin´ny diavolana izy
No mitantara angano sy milalao amin´ny ankizy
Tara i Nenibe, diso i Nenibe
Dadabe am´zany mba miezaka ihany an, an!
Mba manararaotra farany
Manohy ny tantarany
Na izaho aza mba menatra
Nefa miezaka ny hamantatra
Miezaka ny hamantatra ny fiainan´ireo lahiantitra

Nony afaka adin´ny iray
Dia indro i Dada fa andeha hody am´zay
Ny fandehany toa mivembena
Ny tarehany feno lokomena
Taitra i Nenibe dia nihoraka
Nahita sotrobe dia nitoraka
Taitra i Nenibe, nisafoaka i Nenibe
Dadabe am´zany efa bilabila ihany an, an!
Nojerena ny pôketra, tsy tao ny vola rehetra e!
Teo vao nipetraka ny fanontaniana,
Nankaiza ny firotsaka?
Nozaraina sa nariana?
Ny valiny nomen´i Dadabe dia
Sady nozaraina no nariana!
Ary mbola nampiany tamin´ny hoe
Sady nozaraina no nariana!
Ary nofaranany tamin´ny hoe
Sady nozaraina no nariana!

Nony afaka adin´ny iray
Dia indro i Dada fa andeha hody am´zay
Ny fandehany toa mivembena
Ny tarehany feno lokomena
Taitra i Nenibe dia nihoraka
Nahita sotrobe dia nitoraka
Taitra i Nenibe, nisafoaka i Nenibe
Dadabe am´zany efa bilabila ihany an, an!
Nojerena ny pôketra, tsy tao ny vola rehetra e!
Teo vao nipetraka ny fanontaniana,
Nankaiza ny vola aman-karena?
Nozaraina sa nariana?
Ny valiny nomen´i Dadabe dia
Sady nozaraina no nariana!
Ary mbola nampiany tamin´ny hoe
Sady nozaraina no nariana!
Ary nofaranany tamin´ny hoe
Sady nozaraina no nariana!
Browse Artists :

# A B C D E F G H I J K L M N O P Q R S T U V W X Y Z

Karaoke : Backing tracks & videos - Karaoké files

Karaoke Fun !