Top Search

LyricsCopy.com

Fefy tsilo

par Mage 4

lyricscopy.com
Fefy tsilo - Mage 4

Refrain:
Fefy tsilo tsy azo ihoarana
No miaro ny foko ao mba ho azy ihany
Ilay fitia izay nomeny ahy
Tsy mamela ahy hitia any an-kafa indray
Babony aho

Ny tenako tsy tiany ho very
Fa ho azy mandrakizay, ho doria
Ny fiainanay tsy tiany hisy fery
Fa hadio hatrany, lafatra
Fantany fa maro be ireo fakam-panahy (ho ahy)
Fahavalo n´inona n´inona antony

Refrain:
Fefy tsilo tsy azo ihoarana
No miaro ny foko ao mba ho azy ihany
Ilay fitia izay nomeny ahy
Tsy mamela ahy hitia any an-kafa indray
Babony aho

Ny fihaonanay omeny hafanana
Tsy tsaroako akory ilay masoandro, n´aiza n´aiza
Ny aizinay fenony hazavana
Hery iray namatotra ahy ny fitsiny
Zovy moa no tsy mahalala fa ny fitiavana
Tsy hananan-kavana n´inona antony

Refrain:
Fefy tsilo tsy azo ihoarana
No miaro ny foko ao mba ho azy ihany
Ilay fitia izay nomeny ahy
Tsy mamela ahy hitia any an-kafa indray
Babony aho
Recherche Artistes :

# A B C D E F G H I J K L M N O P Q R S T U V W X Y Z

Karaoké : Fichiers MP3 & Vidéos Karaoké

Karaoke Fun !